- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsiafahy : Olona roa nipoahan’ny baomba tao anaty « carrière »

Tsiafahy : Olona roa nipoahan’ny baomba tao anaty « carrière »

Tsy tao amin’ny fonjan’i Tsiafahy akory no nitranga ity fahafatesan’olona ity fa tao amin’ny toerana fitrandrahana vato teny amin’ny manodidina kosa. Ny tolakandron’ny alakamisy teo, manodidina ny tamin’ny iray ora, no naheno baomba nirefotra ny olona. Rehefa nojerena ifotony izany dia noho ny fipoahan’ny vanja izay nanesika tao anaty lavaka mba hoentina hanapoahana nyvato. Saingy nisy tsy fietezana izany satria nanao « court-circuit » ny herinaratra izay tokony hamelona izany ary nitarika ny fipoahana tsy lera. Maty tsy tra-dranony lehilahy roa izay niasa tao amin’io toerana io tamin’ny fotoana izay voalaza etsy ambony. Potika tanteraka ny razana ary nivoaka hatramin’ny taova aza noho ny hamafin’ny fahavoazana. Tsy vao voalohany no nitranga ny loza avy amin’ny fitrandraham-bato. Rehefa tsy vokatry ny fipoahana noho ny tsy fahafehezana ny baomba izany dia matetika vokatry ny fihotsahan’ny vato izay sokirina. Eo ihany koa ny fisian’ny fahavoazana madinidinika toa ny fipitihan’ny vato any anaty maso. Ary ao anatin’izany rehetra izany dia misy ny zaza tsy ampy taona izay matetika voakasiky ny fahavoazana. Betsaka ireo zaza miasa amin’ny « carrière » ary eken’ny ray aman-dreniny izany satria izy ireo mihitsy aza no matetika miara-miasa, mitady vola. Midika arak’izany fa loza no kirakiraina isan’andro eny amin’ireny toeram-pitrandraham-bato ireny, ary matetika mihatra aman’aina izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici