Razana efapolo be izao, no indray tsy hita teny amin’iny faritr’i Tsiafahy iny, ny alarobia lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo, dia fasana roa no vaky tamin’io fotoana io teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambohidrazana. Toy ny trangana vaky fasana rehetra, dia tsy nisy nahatsikaritra izany raha tsy taty aorian’ny nitrangan’ilay asa ratsy. Mihataka ny tanàna rahateo no misy ireo fasana, ka olona sendra nandalo no nahatazana ny fasana mivoha. Rehefa notsirihan’ireo tomponandraikitra sy ny tompon’ny fasana ny tao anatiny, dia hita fa lasibatr’ireo mpangalatra taolam-paty. Saika tapitra nanjavona avokoa mantsy ny razana tao amin’ilay fasana iray, raha vitsivitsy kosa ny tao amin’ny ilany. Raha atotaly, dia mahatratra eo amin’ny 43 eo ho eo ireo razana lasan’ireo olon-dratsy. Vinavinan’ny maro ny hoe mety niverimberen’izy ireo matetika ireto fasana ireto. Tsy fantatra intsony aloha, fa ny fantatra dia efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha. Tsy foana tokoa akory fa nangingina kely fotsiny ity resaka vaky fasana ity tato ho ato. Angamba leon’ny miady fasana ry zalahy ka naleony niditra am-piangonana indray. Mitovy ihany tsinona, samy mbola mistery ho an’ny rehetra ny hanaovana ireo zavatra angalarina, na io taolam-paty, na io lakolosy.
m.L