- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTsiafahy : Zavatra nipoaka, nampisahotaka ireo ankizy mpanala CEPE

Tsiafahy : Zavatra nipoaka, nampisahotaka ireo ankizy mpanala CEPE

Korontana tanteraka ! Raha voalaza fa nilamina ny fizotry ny fanadinana Cepe, omaly ho an’ireo kilonga eran’ny Nosy, dia tsy toy izany kosa ny tany amin’iny kaominina Tsiafahy iny, araka ny fampitam-baovao azo avy amina loharanom-baovao iray tany an-toerana. Omaly hariva, nisy zavatra nipoaka mafy, in’efatra mihitsy, tao amina trano iray nifanila tamin’ny CEG iray tao Tsararivotra. Fipoahana izay isan’ny nampisahotaka ireo ankizy mpianatra tao amin’ilay ivon-toeram-panadinana sy ireo ray aman-dreny izay niandry ny zanany tety ivelany. Tamin’ny oran’ny « Tantara- Jeôgrafia » io zavatra tsy nampoizina io, hoy ity loharanom-baovao ity. Vokany, nanao tsy omby aloha nivoaka ny lakilasy nisy azy avokoa ireo ankizy mpianatra, nikorontana tanteraka sy tsy nisy fifantohana intsony tamin’ilay fanadinana. Raha ny fanazavana azo dia toa hoe balafomanga lasa tsy nahy tao amin’ilay trano ity zavatra nipoaka, nampisahotaka ny rehetra ity. Tezitra tanteraka noho izany toe-javatra izany ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ka nikasa ny hiditra amboletra tao amin’ilay trano niavian’ilay fipoahana. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo tompon’andraikitra, nandamina ny toe- raharaha ary dia nitohy sy nilamina ihany nony avy teo ity fanadinam-panjakana voalohany ity. Fantatra fa, eny an-tànan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana ity zava-nitranga, izay azo sokajiana ho fanakorontana ity. Fa tsy izay ihany anefa, araka ny fitantaran’ity loharanom-baovao ity, fa mbola maro ireo zavatra nahitana tsy fahatomombanana nandritra io fanadinana Cepe. Nambarany fa nisy tsy mazava teo amin’ny lafiny nisafidianana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin’ilay foibem-panadinana toy ireo mpampianatra mpiambina, ny mpitsara ary ny mpitantsoratra. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana araka izany izy ireo, fa toa mahatsiaro tena ho tsy misy mpijery sy tany lavitra andriana ireo mpampianatra sy mpianatra any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici