- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTsiaroanomandidy : Miaramila DAS mamo nahafaty olona tamin’ny basy

Tsiaroanomandidy : Miaramila DAS mamo nahafaty olona tamin’ny basy

Lasa ifandimbiasana tato ho ato ny fampiasan-kery tsy amin’antony ataon’ny mpitandro ny filaminana. Raha mbola mitàna ny sain’ny maro ary hatramin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena aza ny zava-nitranga eto an-drenivohitra, dia izao koa dia fantatra fa nisy miaramila nahafaty olona tamin’ny basiny, noho ny hamamoany. Ny alakamisy teo no nitranga izany tany Bemahatazana, tanàna iray eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Miandrarivo-Tsiroanomandidy. Miaramila kilasy voalohany no tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona ity. Izany dia taorian’ny fifamalian’ny roa tonta. Raha araka ny fantatra anefa dia nandeha an-tongotra io miaramila io no niangavy mba hiakatra amin’ny «  kibota » nentin’ilay olona izay notifiriny nony avy eo, noho ny hamamoany. Miasa eo anivon’ny toby miaramila RM1 izy raha araka ny tatitry ny zandary. Fantatra koa fa tsy tantin’ilay miaramila ny fampidinan’ny tompon’ny kibota azy rehefa nisy ny fifandirana. Tsy nisy resaka firy intsony teo fa ny basy avy hatrany no nampiasan’ilay mpitandro ny filaminana. Nidina teny an-toerana ny zandarimariam-pirenena ary nanokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity. Mbola hita teo ny taim-bala iray. Karohina fatratra hatramin’ny omaly ilay miaramilan’ny DAS nahafaty olona. Efa naparitaka ny sariny ary andrasan’ny mponina ao an-toerana ny fivoaran’ny raharaha.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici