- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsiazonaloka-Maevatanàna : Renim-pianakaviana enina natao takalonaina, bevohoka ny iray.

Tsiazonaloka-Maevatanàna : Renim-pianakaviana enina natao takalonaina, bevohoka ny iray.

Tamin’ny talata lasa teo dia sahotaka tany an-toerana. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Tsiazonaloka, Kaominina Maevatanàna faharoa, no nisehoan’ity fanafihana ity. Tokony ho tamin’ny 5 ora  sy sasany hariva no tonga tao ny jiolahy miisa valolahy. Nitondra basim-borona ary tena nampiasainy nandritra ny fanafihana. Omby efatra no lasan’izy ireo, ary nisy vehivavy enina, iray bevoka, nalainy natao takalonaina. Ny olona moa tsy nisy sahy nanohitra satria misy  basy teny amin’ireo olon-dratsy ary tena nitifitra rahateo izy ireo. Tsy nisy naratra ny olona tany  an-toerana nandritra ny fanafihana nataon’ireo malaso ireo. Efa ho 50 km miala ny tanàna no  navotsotry ny dahalo ihany ilay renim-pianakaviana enina natao takalonaina, ny Alarobia teo. Mirongatra tanteraka ny asan-dahalo ao an-toerana raha ny fanazava voarainay. Efa fanindroany no tonga nanafika tao ireo dahalo, tao anatin’ny iray volana monja. Raha ny fangatahan’ny mponina any an-toerana, dia mety kokoa amin’izy ireo raha ny miaramila DAS no haverina any mba hiverenan’ny fandriam-pahalemana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici