Mety mbola tsy afa-tsaona akory ireo fianakaviana nidonam-pahoriana tamin’ilay rindrina nihotsaka tetsy Tsiazontafo Behoririka ka nahafatesana olona efatra, herinandro vitsivitsy lasa izay, dia nirodana indray ihany koa ny ampahany tamin’io rindrina io omaly antoandro. Soa ihany tamin’ity indray mitoraka ity fa tsy nisy ny namoy ny ainy, saingy na izany aza dia fantatra fa olona telo no naratra. Ny iray tamin’ireo vehivavy mpiantsena ary ny roa kosa mpivarotra teo akaikin’io rindrina io.
Nisoamaritaka indray ny rehetra raha nahare ny fidobok’ilay rindrina, nampijolofotra vovoka nanempotra ireo mpivarotra sy mpiantsena marobe, tokony ho tamin’ny iray sy sasany antoandro teo. Raha nisy kely tokoa dia saika fatiolona nikararana indray no noraofina tao ambanin’io rindrina nihotsaka io. Ny tena loza mantsy, araka ny filazan’ireo nanatri-maso, dia nianjera taty amin’ny arabe nisy ireo olona marobe ilay izy. Soa ihany fa mbola nitsikian’ny vintana izy ireo ka nahay niala avy hatrany, tao anatin’ny indray mipi-maso raha vao nitongilana fotsiny izany rindrina izany. Na izany aza anefa tao ihany ireo voadonan’ny biriky sy ireo korontana ka nisian’ireo naratra telo ireo. Maro tamin’ireo entam-barotra teny an-toerana kosa no potika tsy nisy noraisina intsony. Marihana fa ambin’ilay rindrina nihotsaka nahafaty olona iny ity mbola nirodana fanindroany ity. Zavatra izay somary mahagaga ihany, hoy ireo nanatri-maso, satria dia toa niniana najanona teo ilay ambina rindrina, izay fantatra tanteraka fa mety hirodana sy hitera-doza indray andro any. Ary dia io niseho omaly io tokoa ny loza fanindroany. Mbola misy sisa tavela, izay mbola mijoro, eny an-toerana amin’izao fotoana izao, izay tena atahorana tokoa, hoy ireo mponina. Angatahan’izy ireo mafy amin’ireo tompon’andraikitra mba hijerena akaiky izany.
m.L