Nitangorona ny olona, nijoalajoala ny afo. Fiara iray marika Golf III no may kila forehitra teny Tsiazotafo, amin’ilay lalana midina mankaty Behoririka iny, omaly, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva tany ho any. Tsy nisy azo natao mantsy, raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana, raha tsy tonga ny mpamonjy voina namono ny afo. Tsy nanana ireny fitaovana famonoana afo, « exctincteur », ireny mantsy ny tompon’ny fiara. Araka ny fantatra tokoa dia toa hoe fiara vao avy novidiana mihitsy ity Golf ity ary mbola teo am-panandramana azy ny tompony. Te hampihaingo kely ilay fiara amin’ny fanasiana irony fitavaona fanamafisam-peo, fahita amin’ireo fiara raitra irony ny tompony, raha ny voalazan’ireo manodidina hatrany, ka tamin’izany no nisy « fil » nifampikasoka sy niteraka lelan’afo. Nihazo ny fasiana lasantsy io lelan’afo io ka tsy tana intsony ny firedaredan’ity farany. Levona tao anatin’ny indray mipi-maso ity fiara tsara tarehy. Fatim-by sisa no hany sisa najoron’ny afo teo amin’ny arabe. Soa ihany koa aloha fa nalaky niala haingana ireo olona nanamboatra ilay fitaovana fa raha tsy izany dia mety hatramin’ny ain-dehibe no indray may kilan’ny afo tao. Tranga izay tokony hampisaina tanteraka ireo tsy dia manisy lanjany loatra ireny fitaovana kely, mety hanavotra aina sy fananana ireny.
m.L