- Publicité -
mardi, juillet 29, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsiazotafo : Lehilahy iray maty tao anaty hotely

Tsiazotafo : Lehilahy iray maty tao anaty hotely

Narary tampoko ary dia namoy ny ainy tao anaty hotely nivantanany ny lehilahy iray eo amin’ny 55 taona eo. Omaly no niseho izany teny Tsiazotafo. Ny loharanom-baovoa no nahafantarana fa avy any Sainte Marie ity olona ity izao nivahiny teto an-drenivohitra izao ary tokony hiverina any. Ny loharanom-baovoa no nahafantarana fa tsy nisy nanampo izao tranga izao ireo tao amin’ilay hotely. Vao tonga izy ary toa hoe tsy mbola nahazo efitrano akory dia nitambotsitra am-pitoerana teo. Nikoropaka ny rehetra nanavotra azy ary nitondra azy haingana tany amin’ny hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy na dia natoa avokoa aza ny famelomana rehetra.  Amin’izao fotoana izao dia efa ao amin’ny tranom-paty eny amin’ny HJRA ny razana. Ny tombatombana dia ny hoe ankevitry ny nijanona tampoka ny fony ary izany no nitarika ny fahafatesany.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser