Mbola betsaka mpandalo ilay làlana, kanefa dia sahin-dry zalahy ny manao ny asa ratsiny. Ny alahady alina lasa teo, mpivady nitaingina môtô no notafihana telolahy, teny amin’iny faritra Tsiazotafo iny. Tsy nahatanteraka ny zavatra nokasainy anefa ireto olon-dratsy ireto, noho ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana ara-potoana, teo ihany koa ny fanampian’ny fokonolona. Raha ny zava-nitranga, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina teo, nizotra tamin’iny lalana avy eny Behoririka nivoaka aty Antaninandro iny ireto mpivady nitaingina môtô, no nisy telolahy nivoaka tampoka nibahana azy ireo. Niezaka ny nanajanona tampoka ilay môtô nentiny izy ireo teo anatrehan’izany ka nianjera. Tamin’izay fotoana izay no niantsampy avy hatrany teny amin’ireto mpivady izy telolahy nandrirotra izay zakany, ny hafa kosa naka ilay môtô. Nisy nahita izany ka nampandrenesina avy hatrany ireo pôlisy. Nanampy ihany koa ireo fokonolona ka voasambotra teo izy telo lahy. Tsy tanteraka araka izany ny asa ratsin’izy ireo. Manentana avy hatrany ireo fokonolona ny tompon’andraikitry pôlisy ao amin’ity boriborintany fahatelo ity mba hampandre avy hatrany ny pôlisy raha vao misy zavatra mampiahiahy, hahafahan’izy ireo ho tonga haingana. Ny alatsinainy lasa teo no natolotra ny Fampanoavana izy telo lahy ireto ary naiditra avy hatrany teny Antanimora.
m.L