- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversTsiazotafo : Nosamborin’ny olona ireo nanafika sinoa

Tsiazotafo : Nosamborin’ny olona ireo nanafika sinoa

Tokony ho tamin’ny 11 ora omaly no nisy telo lahy nanafika tao amin’ny toeram-pivarotana notantanin’ny sinoa etsy Tsiazotafo. Nirongo basy izy ireo ary nahazo vola tao anatin’ny sakaosy, raha araka ny vaovao azo. Niantso vonjy ireo sinoa, nanampy ny olona ary voasambotra rehefa nifanenjehana ireo olon-dratsy. Niharan’ny fitsaram-bahoaka saingy mba tsy maty. Ireo vola kosa, raha araka ny vaovao azo hatrany, dia nanjavona ary tsy fantatra hoe any amin’iza. Ireo olona nisambotra ve sa ilay jiolahy tafatsoaka no naka? Tonga teny an-toerana ny pôlisy naka ireo roalahy voasambotra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici