- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTsiazotafo : Trano mety hirodana, mpivarotra maromaro voatery nesorina

Tsiazotafo : Trano mety hirodana, mpivarotra maromaro voatery nesorina

Mpivarotra kojakoja eletronika maromaro teo, no voatery nesoriny tamin’iny trano nisy azy, tetsy Tsiazotafo, ny zoma lasa teo. Tsy izy ireo ihany anefa, fa na hatramina olon-tsotra izay mipetraka ao ambonin’ny rihana ity trano lehibe iray eny an-toerana ity. Hatairana ihany ny an’ireto olona voatery nesorina tamin’ny trano nisy azy ireto, raha tonga teny an-toerana ny andiana mpitandro filaminana maromaro, niaraka tamin’ny vadintany sy mpisolovava vitsivitsy nilaza izany tamin’izy ireo. Somary niteraka korontana kely mihitsy aza moa izany fidinana tampoka nataon’ireto tompon’andraikitra ireto, satria dia nisy tamin’ireo sasantsany no mbola teo am-pivarotana. Ny fanazavana azo tamin’ireo tompon’andraikitra no nahafantarana, fa fanapahan-kevitra efa noraisina tany amin’iny enim-bolana lasa ity fanesorana ireto mpivarotra sy olona mipetraka tamin’ity trano ity. Izany, dia noho ny fahitana ilay trano efa tsy ara-dalàna intsony, efa simba tanteraka ka mety hitera-doza ho an’ireto olona ireto. “Eny fa na hatramin’ny Jirama aza efa nampilazàna mba tsy hamatsy herinatra izany trano mety hirodana izany”. Nangataka fe-potoana moa ny sasantsany tamin’ireto mpivarotra, fa hampiharana ilay fepetra. Nandeha anefa ny fotoana, toa mbola tsy mivonona ny hiàla hatrany izy ireo. Miha-mitombo hatrany hatrany anefa ny loza mety hihatra amin’ireto olona ireto, indrindra fa tato anatin’ny andro vitsivitsy izay, izay nahabetsaka ny rotsak’orana. Hany ka voatery nidina teny an-toerana ireto tompon’andraikitra ireto, niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana nanala ireto mpivarotra ireto. “Fiarovana azy ireo tamin’ny fitaomana ny entany, amin’ireo mpanararaotra no nahatongavanay eto. Hiaraha-mahalala moa fa entana lafo vidy avokoa izy ireo” hoy ireo mpitandro filaminana. Nilamina ihany moa ny toe-draharaha, ary nanaiky ny hanala ny entana ireo mpivarotra, tao anatin’ny filaminana, ary tao anatin’iny oram-be mikija iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici