Taorian’ny fanafihana nitam-piadiana nahery vaika izay nahalasa lelavola nitentina 11 tapitrisa ariary mahery, tamina tokantranona mpivady mpandraharaha iray monina ao Ambatobe Nord, any amin’ny Distrikan’i Tsihombe, Faritra Androy, dia nametraka vela-pandrika ny Zandary avy ao amin’ny Tobim-paritry Tsihombe, ka voasambotra tao Ambatobe Nord ihany, ny alarobia naraina teo, tokony tamin’ny telo ora, ny efa-dahy nitam-basy, izay dahalo raindahiny avy any Ambatomivaly Distrikan’i Betroka. Tratra niaraka tamin’ireto dahalo ireto ihany koa, ny fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan’ireo malaso rehefa manao ny asa ratsy izy ireo : toy ny basy « pistolet » niaraka tamin’ny bala dimy sy balana « calibre » 12 miisa enina, ary moara maro feno ody gasy sy lamba mena misy fitaratra kely. Raha ny vaovao voaray, nandritra ny fandrobana, dia naratra mafy nototoin’ny dahalo vato teo amin’ny lohany ramatoa tompon-trano, ary mbola miady mafy amin’ny fahafatesana manaraka fitsaboana hatramin’izao.
Eric Manitrisa