Telo mirahavavy mpivaro-mandeha miara-mitety tsena no norobaina folo lahy voalaza fa nirongo famaky sy lefona ary fitaovam-piadiana hafa, ny talata teo, tany Anjampaly Tsihombe, ka lasan’ny jiolahy tamin’izany ny lelavola mitentina enina hetsy sy roa tapitrisa ariary, izay voalaza fa vola maty nandritra ny efatra andro, niaraka tamin’ny firavaka volamena manodidina ny 22 grama nahitana kavina, peratra ary rojo fanao eny amin’ny tanana, niampy finday efatra. Ankevitry ny efa fantatr’ireo mpandroba fa mitondra vola be ireo andriambavilanitra nandeha sarety ka notafihiny. Raha ny fantatra, araka ny vaovao voaray, dia roalahy ka kilemaina ny iray tamin’ireo jiolahy no nody nanakan-dalana ary nilaza fa hividy sigara sy siramamy ary kafe. Nijanona naka sisin-dalana tsy nanana ahiahy izy telovavy, izay fantatry ny olona amin’ny varotra mitety tanàna ataon’izy ireo.
Kere ty ndaty, mirongatra ny asa ratsy. Tampoka teo, nipoitra avy any anaty kirihitr’ala ny valolahy nirongo fiadiana sady nibetroka sy nandrahona avy hatrany an’ireto vehivavy mpitety tsena hanome ny vola rehetra sy nanendaka ny volamena teny amin’izy ireo. Noho ny tahotra ny ainy dia tsy afa-nanohitra izy telo mirahavavy, ka niliba ireo olon-dratsy, ary niverina any anaty kirihitr’ala indray rehefa nahazo ny rembiny. Matetika, raha ny fanazavana azo araka ny vaovao voaray, dia misy fotoana izy telo mirahavavy ireto mandeha an-tsarety alina sy ankodahoda, kanefa tsy nisy olana hatramin’izay, fa tamin’ity indray nitoraka ity no sendra ny patsa iray tsy omby vava. Kere ty ndaty any Atsimo ka mirongatra ny asa ratsy.
Eric Manitrisa