- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTsihombe : Roa lahy tra-tehaka nangalatra osy 12 isa, saika nodoran’ny fokonolona...

Tsihombe : Roa lahy tra-tehaka nangalatra osy 12 isa, saika nodoran’ny fokonolona velona

Leom-boan’anana amin’ny firongatry ny halatra osy sy ondry any amin’ny faritra Androy ny mponina, ka izay olon-dratsy tratra, raha ny fanazavana azo, dia iharan’ny hatezeram-bahoaka avokoa mba ho anatra ho any hafa. Afak’omaly, tany Anjampaly, distrikan’i Tsihombe, dia roalahy tratra ambodiomby nangalatra osy niisa 12 no naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka, ary saika nodoran’olona velona avy eo. Nandrara izany fomba mamohetra izany anefa ny tompon’ireo biby fiompy. Araka ny tati-baovao voaray, dia teo am-pamoahana an’ireo osy tao am-bala, ny naraimben’ny talata teo, tokony ho tamin’ny dimy ora izy roalahy no tra-tehaka, tafaporitsaka kosa ny naman’izy ireo fahatelo, izay mbola karohina fatratra hatramin’izao. Rehefa voafatotra tongotra aman-tanana tsy afa-nanohitra intsony ireo dahalo, dia raikitra avy hatrany ny vono sy daroka nataon’ny fokonolona an’ireo mpangalatra voasambotra. Tezitra mafy ny zanaka lahimatoan’ny tompon’osy raha nahita fa mponina eo an-tanàna ihany ny jiolahy iray, ka naka antsibe ary nanapaka ny tanana havanan’ ilay dahalo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici