Efa ho iray volana no tsy mandeha ny jiro any amin’ny Distrikan’i Tsihombe Androy. Afak’omaly, nidina an-dalambe sady nilanja sorabaventy nihazo ny biraon’ny Jirama ireo mponina tezitra mizaka ny tsy heran’ny ainy romotry ny delestazy. Raha araka ny tati-baovao mari-pototra voaray, dia ny gropy mampiakatra rano sisa no hany mandeha, ka misy ampahan’olona vitsivitsy mahazo jiro tampotampoka eo, rehefa nandoa vola an-tsokosoko tany amin’ny mpitantana an’ity orinasam-panjakana ity, ka mahatezitra ny mpanjifa izany fiangarana miendrika kolikoly avolenta izany. « Tsy ekenay ny Jirama miangatra ka akatonay ary tsy mila delestazy intsony izahay miaina ao anaty haizina sy horohoro », hoy ny antsoantson’ireo mpanjifa tezitra mafy nandrahona hanakatona ny foiben’ny Jirama any an-toerana, ny andron’ny talata io.
Eric Manitrisa