Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ambony ireo fianakavian’ny niaram-boina any amin’ny fokontany Tsimandaingo, kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, faritra Betsiboka manoloana ny tifitra nataon’ireo miaramila avy any Tsiromandidy, izay tsy nisy halaharo natao tamin’olona tsy manan-tsiny. Voalaza fa niaraka tamin’ny vaditany avy any Antananarivo ny miaramila voalaza etsy aloha, nolazaina fa nanao ny fampiharana ny didim-pitsarana avy amin’ny » Cour Suprême Anosy » amin’ny hamerenana omby niisa 1500 ao anatin’io didim-pitsarana io. Rehefa naheno fampiharana ny didim-pitsarana kosa ny Zandary avy ao Maevatanàna dia nanao ny fidinana ifotony tany an-toerana ny andron’ny Alarobia faha 21 Janoary taoan 2026 mba nanao ny fisorohana ny mety hisian’ny fanararaotana sy fandroboana, izay nisy tamin’iny taona 2024 ka nahaverezana fananan’olona noho ny fampiharana didim-pitsarana tamin’izany. Anefa zavatra hafa no niseho. Izay indrindra no anton’izao fidinana ifotony nataon’ireo mpitandro ny filaminana ato amin’ny vondron-tobim-paritra Maevatanàna izao, raha ny fampitam-baovao vaoray tamin’ireo fianakavian’ny niaram-boina. Ny Asabotsy faha 24 Janoary 2026 no nigadona tao an-tapon-tanànan’i Tsimandaingo ny miaramila niisa folo no niaraka tamin’ireo olona voatonona tao anatin’ny didim-pitsarana hamerenana ny omby, nivantana tao amin’ny tranon’i Gilbert. Tsy Izany fa Atoa Rakoto sy Tsivahiny. Ny rahapitso Alahady, izy ireo no niaraka tamin’ireo miaramila nitady ny filoham-pokontany, saingy nogiazina ny findain’io sefom-pokontany io, noho izy voalaza fa nanao tatitra an-telefaonina ny tompon’andraikitra ao Mahazomà. Ny Atalata faha 27 Janoary taona 2026 ireo miaramila sy Atoa Rakoto ary Tsivahiny, Razily nandeha nidina nanao fanangonana ny ombin’ny fokon’olona. Saingy rehefa naheno izany ny tompon’ny kijana dia nitsoaka niataridositra nitondra ny ombiny, tsy ao anatin’ny didim-pitsarana voalaza. Any ka tazan’ireto farany nandeha tongotra moa izy ireo. Nitifitra eo amin’ny elanelan’ny iray kilometatra eo avy hatrany ireo miaramila, ka olona roa no maty voatifitra nandritra izany, sady nahazoan’ireo omby niisa 28. Niverina namonjy tanàna tao Tsimandaingo ny miaramila sy ny olona nanondro ny omby nalaina. Ny Zandary niambina tao an-tanàna moa dia taitra, rehefa naheno ny zava-niseho no nidina nanao ny fizahana ny razana avy hatrany, raha ny fanazavana. Taorin’izay dia noentin’ireo fianakavian’ny maty niakatra tany Mahazomà ny razana iray, raha nomena ny fianakaviany tao Anaidrano kosa ny fatin’ilay mpiasa volamena maty voatifitra. Niondrika am-pananajana amin’ireo havana ny maty ny mpisolovava iray maharaka ity raharaha ity, efa nandalo tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Maevatanàna sy Cour D’appel de Mahajanga, ary ny Cour Suprême Anosy. Nilaza ny mpisolovava Lala Rajaonarivelo fa nisy fampiatoana efa ela ny didim-pitsarana avy amin’ny » Cour Suprême Anosy » amin’ity raharaha Tsimandaingo ity no lasa niafara amin’izao fahafatesana sy fahamoizana ain’olona izao ny zava-nisy. Manao antso amin’ny tompon’andraikim-panjakana ambony ny tenany fa natao hamonoana ny samy Malagasy ny basy tokon’ny hiarovan’azy sy ny fanany.
Ratantely



