Tokony ho tamin’ny fito ora sy fahefany hariva teo, no nitranga ity lozam-pifamoivoizana ity. Raha ny filazan’izay nahita, dia fiara roa nifanenjika ka nifatratra tany amin’ny andrin-jiro ny iray. Potika tanteraka ny iray ary mbola voalazan’ny olona hatrany aza fa nifaoka mpandeha an-tongotra talohan’ny nidonany tamin’ilay andrin-jiro. Naratra tao anatin’izany ihany koa ny mpamilin’ilay 406 miloko manga. Niforiporitra ny fiara ary nifanampy ny olona teo an-toerana namoaka ilay mpamily tao. Olona nandalo no nilaza fa, an’ny andrim-panjakana iray io fiara niharan’ny lozam-pifamoivoizana io ka potika tanteraka. Tonga teny an-toerana ny pôlisy misahana ny fanadihadiana momba ny lozam-pifamoivoizana ary nanao ny asany avy hatrany. Avy amin’izany no hahitana na nisy hamamoana na tsia tao anatin’ity raharaha ity. Na izany aza anefa, raha mitombina ny filazan’ireo vavolombelona fa nisy ny fifanenjehana avy tany aloha tany, dia azo lazaina avy hatrany fa vokatry ny hetraketraka ny nitarika ny loza izay nandratra olona roa ka mpandeha an-tongotra tsy manan-tsiny ny iray.
D.R