- Publicité -
dimanche, octobre 26, 2025
AccueilFaits-DiversTsimbazaza : Mpamily sy resevera taxibe nosamborin’ny polisy

Tsimbazaza : Mpamily sy resevera taxibe nosamborin’ny polisy

Tsy vitan’ny fampitandremana am-bava fotsiny teto fa tena nosamborina izy roalahy ireto ary nentina natao famotorana eny anivon’ny sampan-draharahan’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana tetsy Tsaralalàna. Izy ireo,  izay mpamily ary reseveran’ny taxibe zotra 015, tra-tehaka tamin’ny fandikan-dalàna nataon’izy ireo teny am-panaovana ny asany teny ary voalaza fa nanao atsirambina ny ain’ny mpandeha nentiny sy tsy fanajàna, ny hafa sy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.

Ny talata lasa teo tokoa mantsy dia nisy horonantsary niparitaka tao anaty tambazotra sosialy, naneho ny « hadalàna » nataon’ity taxibe iray ity, tetsy Maroroho Tsimbazaza. Tsy niraharaha ny fitohanana na niandry izany am-pilaminana fa nandeha nilingilingy teo amin’ny ilan’ny arabe natokana ho an’ireo mifanena aminy, izay tsy nisy fitohanana ka niezaka nisongona ireo fiara rehetra teo alohany, ary tsy niraharaha velively ireo kodiaran-droa sy fiara nifanena taminy.  « Fametrahana am-bavaloza ny mpandeha, fanaovana tsinotsinona ny hafa ary tsy fanajàna ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana (…) Tsy mendrika ny hitondra fiara intsony » hoy ny teo anivon’ny zandary, raha nizara ilay horonantsary. Nandray andraikitra avy hatrany ireo pôlisy misahana ny faritra ary nikaroka ity taxibe ity. Ny tolakandron’ny alarobia teo no hita ilay fiara ary nosamborina ny mpamily sy ny mpanampy azy. Nampidirina am-balam-pamonjàna kosa ilay fiara.

Mila sazy henjana tokoa ny zavatra toa izao, mba ho anatra ho an’ny hafa. Firifiry tokoa moa ireo mpamily sy ny mpanampy azy no mampihatra ny loham-boton’izy ireo indraindray eny an-dalana eny ? Mety hoe tsy izy rehetra, satria ny sasany dia misy tena miasa tsara tokoa, fa ny hafa dia manao lohan-drongony tsotr’izao. Ary ny mampalaelo dia ireo mpandeha  no mizaka ny vokany toa ilay loza mahatsiravina nitranga tetsy Ambohidratrimo, ny harivan’ny alarobia teo (lahatsoratra etsy an-kila)

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici