- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversTsimbazaza : Mpamily taxi-be namono olona, karohan’ny mpitandro ny filaminana

Tsimbazaza : Mpamily taxi-be namono olona, karohan’ny mpitandro ny filaminana

Zava-doza no niseho teny Tsimbazaza, ny alin’ny zoma lasa teo. Lehilahy iray no hita faty tao an-tranony, potika ny tarehiny ary notsatohana sabatra teo amin’ny tandrifin’ny fony. Voalazan’ny vaovao fa nivoaka tany amin’ny lamosiny ny ratra hita tamin’ilay razana. Efa nentina tany amin’ny tranom-paty Ampefiloha moa ny razana, ny sabotsy maraina.

Amin’izao fotoana izao, feno sary ny toerana maro eny Tsimbazaza. Io sary io dia voalaza, fa an’ilay mpamily taxi-be voatondro fa namono nahafaty an’io olona  etsy ambony io. Ny fitantaran’ny olona teny an-toerana tanterina etoana no nahafantarana fa ny alin’ny zoma, dia nisy fifamaliana teo amin’ny olona roa, ilay mpamily fiara sy ilay maty io. Re tamin’izany fa toa hoe nangalatra ny vadin’ilay mpamily ilay faharoa. Izy io moa dia “mécanicien” no asany. Toa nilamina teo ny raharaha.Voalaza ihany koa fa efa nisotrosotro ilay mpanamboatra fiara ary nandeha namonjy fodiana. Renoky ny tory izy, io alina io. Tsy fantatra anefa izay niseho taorian’izany. Ny vaovao voaray hatrany no nahafantarana fa nandehanan’ilay mpamily taxi-be tany tranony ilay notondroiny fa naka ny vadiny. Novakiany tamin’ny vatobe ny varavarana. Rehefa izany dia niditra izy. Rehefa tao an-trano ny anao lahy, nototany vato ny endrik’ilay olona sondrian-tory. Tsy nihonona tamin’izany anefa izy fa nolerany sabatra teo amin’ny tandrifin’ny fony ary latsaka lalina tokoa izany satria araka ny efa voasoratra, nivoaka tany amin’ny lamosin’ilay maty izany. Samy tsy nisy nahita izany zavatra izany. Ny nahavariana ny rehetra anefa, raha vao avy namono ilay mpamily fiara dia nandeha teny amin’ny fiantsonan’ny taxi tsy lavitra teo ary nideradera fa avy namono olona izy. Feno rà izy, hoy ny fitantaran’ireo olona noresahany. Naharitra ela izy vao niala teo.

Ny maraina tokony ho tany amin’ny 5 ora tany vao nisy nahita ilay faty nivalampatra tao amin’ny tranony. Tonga teny ny avy ao amin’ny BMH naka ny razana. Nampandrenesina ny polisy avy ao amin’ny boriboritany faha-5. Tonga teny an-toerana koa anefa ny zandary avy ao Fiadanana misahana ny heloka bevava. Omaly, tsy mbola hita ilay nahavanona ny loza.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser