- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversTsimbazaza : Mpivady maty nihotsahan'ny trano

Tsimbazaza : Mpivady maty nihotsahan’ny trano

MIHOTSAKA-(4)Mitohy mamono olona hatrany ny fihotsahan’ny trano sy tany eto an-drenivohitra. Omaly dia mpivady, tena mbola tanora satria vao 22 sy 20 taona, no niara-namoy ny ainy vokatry ny firodanan’ny trano nipetrahan’izy ireo. Tao ambany rihana izy roa kely, heverina ho tao anaty torimaso tanteraka, no nitranga ny loza, tamin’ny 12 ora sy sasany alina, raha ny fanazavan’ny mponina teo amin’ny manodidina. Nampanantsoina ny mpamonjy voina ka mandra-piandry izany dia efa niditra an-tsehatra ny olona teo amin’ny fokontany nisikotra azy ireo. « Mbola niaina kely izy roa tamin’ny fotoana namoahana azy tao amin’ilay trano », hoy ireo nanatri-maso. Alahelo kosa anefa ny nandrenesan’izy ireo taorian’izay fa tsy nisy avotra intsony izy mivady na dia teo aza ny ezaka nanavotana ny ainy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Nisy ny olona nanipy hevitra ny hametrahana ny solontenan’ny mpamonjy  voina any amin’ny kartie, izay matetika hisehoan’ny tany sy trano mihotsaka, mba hanafainganana ny fidinana an-tsehatr’izy ireo. Ankehitriny dia tsy takona afenina intsony, avy amin’ny fihotsahan’ny tany sy ny trano, ny lesoka tamin’ny fitantanana an’Antananarivo hatramin’izay. Tsy manaraka ny fenitra ny fanorenana, kolikoly isan-karazany amin’ny fanomezana fahazoan-dalana hanorina trano sns. Mitranga ankehitriny ary mivangongo ny voka-dratsin’izany rehetra izany. Ny tena mampalahelo dia mitarika fahafatesan’olon-tsotra hatrany matetika ilay voka-dratsy. Ny andro ratsy hatrany no matetika hialokalofan’ny tompon’andraikitra mba tsy hiitaran’ny resaka rehefa misy ny fihotsahana toa izao kanefa raha ny tena marina dia ny gaboraraka hatrizay no lanjaina ankehitriny. Porofon’izany, tsy nisy rivo-doza akory omaly dia nihotsaka ny trano ary nahafaty olona ary koa nihotsaka ny tany tetsy Ambatonakanga ary nahatapaka ny fifamoivoizana…

Didi R.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser