Hatairana ny an’ny mponina eny amin’ny tanànan’i Morarano ao Tsimbazaza, raha nandre fa maty tampoka ny zanak’ireto mpivady, vao iray volana monja, monina eny en-toerana. Gaga sy talanjona ny rehetra satria araka ny fantatra, dia maty voatsindrin’ireto mpivady ireto teo am-pandriana ilay zaza menavava. Araka ny fanazavan’ny havan’ny fianakavian’ny niharam-boina, raha nanatitra ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA izy ireo, dia toa hoe niady hono ireto mpivady ireto ka nandritra izany no nahavoatsindry ilay zaza izay teo am-pandriana. Noho izany, tsy maintsy niditra an-tsehatra ny manam-pahefana raha naheno ny vaovao. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy rehefa avy nizaha ny razana, Noho izany, tsy maintsy nalefa eny amin’ny tranom-paty ny razana mba hanaovana fitiliana.
T.M.