- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversTsimbazaza : Olona mitondra Kalach mampihorohoro

Tsimbazaza : Olona mitondra Kalach mampihorohoro

Mihorohoro ny mponina eny amin’ny manodidina ny tananan’i Tsarafaritra Tsimbazaza amin’izao fotoana izao. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa manomboka  amin’ny 11 ora alina ka hatramin’ny 1 ora marina no mivezivezy eny ireo olona ireo. Tsy basy Klach fotsiny no eny aminy fa mitondra sabatra sy antsy lava lela izy ireo. Izay sendra azy, hoy ihany ny vaovao dia mahita faisana avokoa. Tsy mitsitsy mihitsy izy ireo amin’ny asa fanendahana ataony. Efa fantatry ny mponina ihany anefa ny fomba fanendahany. Avy eny Ambohipotsy eny ry zalahy no midina moramora ary farany eny Ambodifiakarana. Tsy mbola misy mahalala ny tena marina amin’ny fiasan’ireto andian’olona manendaka ireto. Etsy ankilany anefa, raiki-tahotra avokoa ny mponina,satria raha vao maizina ny andro dia tsy azo aleha intsony ny sakeli-dalana. Tsy maintsy mody anefa. Santionany iray ny nahazo ilay vehivavy teny Ambanidia nosavoritahana bandy iray. Naratra mafy io olona io satria tsy nanaiky mora nendahana. Nitazana fotsiny ireo izay nahita. Mbola vao tamin’ny 7 ora hariva anefa tamin’izany.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser