Manodidina ny tamin’ny iray ora atoandro eo no nitranga ity lozam-pifamoivoizana ity tetsy akaikin’ny parc Tsimbazaza. Nipoitra ary niampita arabe ny lehilahy lehibe iray sahabo ho enim-polo taona no nisy scooter nandeha mafy ka nifaoka azy. Tsy nifankahita ny roa tonta, raha ny tombatomban’ny olona ary dia io nifandona io. Voatarika tany amin’ny enina metatra mahery tany ilay rangahy voadona. Tsy nahatsiaro tena avy hatrany izy ary nivoaka rà ny sofiny. Nentina faran’izay haingana tany amin’ny hopitaly. Ilay nitondra môtô kosa tsy dia nisy naninona loatra ny vatany satria nanao aroloha ihany koa izy tamin’io fotoana io. Tsy tena fantatra izay diso tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity satria samy manana ny fitantarany ny olona. Nisy ny nilaza fa nandeha mafy ilay moto ary tsy tafajanona araky ny tokony hoizy rehefa nipoitra ilay rangahy. Tao koa no nilaza fa tampoka loatra ny fivoahan’ilay rangahy tamin’ny arabe satria somary takon’ny fiara izy. Noraisin’ny pôlisy ny fanadihadiana ary avy amin’izay no mety ho marim-pototra amin’ny famaliana ny fanontaniana. Isan’andro dia tsy maintsy misy hatrany ny lozam-pifamoivoizana izay ny scooter no mahatonga azy eto an-drenivohitra. Sao mba tokony hasiana “permis” amin’izay?
D.R