- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversTsimbazaza : Resevera notrongisin’ny fiara, tapa-tanana, saika raikitra ny fitsaram-bahoaka

Tsimbazaza : Resevera notrongisin’ny fiara, tapa-tanana, saika raikitra ny fitsaram-bahoaka

Saika raikitra ny fitsaram-bahoaka omaly teny Tsimbazaza raha tsy voalamina haingana ny raharaha. Resevera iray sahabo ho 20 taona no notrongisina fiara ka nitrosona tamin’ny tany ary tapaka ny tanany havia. Ilay fiara taxibe iray nijanona nanala sy nampiditra mpandeha, nisosososo mafy avy any ny fiara 4L iray ka nitrongy an’ilay resevera, izay saika handeha hanakalo vola amin’ny mpamiliny. Voaporitra teo anelanelan’ny fiara ilay resereva ka voatoro tao ny tanany. Saika hitsoaka ilay fiara nandona raha tsy voasakan’olona haingana. Nivoaka avy tao anaty fiara nentiny ilay mpamily nandona sady avo vava, ary nilaza tamin’ireo olona vory teo fa maika izy, fa tsy afaka mitondra an’ilay tovolahy maratra any amin’ny hopitaly, satria misy olona ambony mila azy faran’izay haingana eny Mahazoarivo.

Nomeny iray alina ariary saran-dalana “taxi” ilay resevera tapa-tanana, nefa tsy nanaiky ireo olona teo amin’ny manodidina nanatri-maso ny loza, fa nanery an’ity mpamily nahavanon-doza ity hitondra ilay naratra hamonjy tobim-pitsaboana. Nanda hatrany ilay mpamily nandona ary nasesiny foana ny hoe : “ maika aho ” sady mbola nanindry bokotra, fa olona manana andraikitra ambony izy. Tezitra tamin’ny fihetsik’ity mpamily 4L nandratra sady nanao tsinotsinona olona ity ny teo amin’ny manodidina, ka niakatra afo ary saika raikitra ny fitsaram-bahoaka raha tsy nalaky voalamina haingana ny raharaha.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici