- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversTsimbazaza : Trano iray kilan’ny afo, potika avokoa ny entana

Tsimbazaza : Trano iray kilan’ny afo, potika avokoa ny entana

Omaly antoandro tokony ho tany amin’ny 11 ora, nirehitra ny trano iray misy rihina roa teny Morarano Tsimbazaza. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa avy amina “court circuit” no nahatonga ny fahamaizana. Ny afo efa nijoalajoala no nanaitra ny manodidina. Levon’ny afo avokoa ny entana tao an-trano. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalana. Tombanana fa ny gorodona no noraisin’ny afo voalohany ary nahazo ny entana rehetra izany avy eo. Tonga teny an-toerana ihany koa ny avy ao amin’ny zandary amin’ny Faritra Analamanga. Nilaza moa izy ireo fa anisan’ny manana andraikitra amin’ny loza sahala izao indrindra eo amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana. Eo indrindra koa ny fanadihadiana isan-tsokajiny hamaritana izay tena Rangory fototry ny afo.

Ho an’ny mpanara-baovao, ity firehetana teny Tsimbazaza ity no fahefatra niseho teto Andrenivohitra tao anatin’ny herinandro monja. Manaitra ny tsirairay ny tompon’andrikitra mba ho mailo hatrany araka izany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici