- Publicité SW45 -
dimanche, janvier 5, 2025
AccueilFaits-DiversTsimbazaza : Vehivavy nendahina roalahy, very vola sy finday avolenta

Tsimbazaza : Vehivavy nendahina roalahy, very vola sy finday avolenta

Sahy ny jiolahy ankehitriny, ary tsy menatr’olona intsony amin’ny asa ratsiny. Ramatoa iray no nendahina roalahy tsy nisaro-tava, omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any, tetsy Tsimbazaza tsy lavitra ny lapan’ny Anterieram-pirenena. Nandeha teny an-dàlana toy ny olon-drehetra ity ramatoa ity no sady niresaka tamin’ny olona tamin’ny findainy no avy dia nobedain’ireo jiolahy, ka voaroba lasan’ny tontakely tamin’izany ny finday avolenta nampiasainy sy ny poketrany izay voalaza fa nisy vola iray hetsy ariary tany ho any sy an-tontan-taratasy maromaro mahakasika ny mombamomba an’ity renim-pianakaviana tratry ny sinto-mahery.

Tsy nisy taitra ny olona. Tsy taitra ireto tontakely rehefa nahazo ny rembiny fa nandeha moramora toy ny olona tsy avy nanao ratsy niakatra tohatohambato ary nitsofoka tany anaty tanàna dia tsy hita ny najavaonany. Ny nahavalalanina tamin’ity asan-jiolahy narahina herisetra omaly ity, dia tsy nisy taitra ireo teo amin’ny manodidina na dia niantsoantso vonjy aza ilay ramatoa voaroba. Mbola tetsy Tsimbazaza hatrany, saingy tany amin’ny mitatao vovonana tany ho any, dia lehilahy lehibe iray manodidina ny 70 taona no niakarapoka nianjera tampoka tamin’ny tany, ka nitangoronan’ny olona. Rehefa nojerena ny tany aminy dia nahitana taratasim-panafody.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici