Tsy ny any ambanivolo ihany no mitondra faisana amin’ny asan-dahalo any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy fa hatramin’ny ao an-tampon-tanànan’i Toliara koa. Ny asabotsy teo dia renim-pianakaviana iray monina ao amin’ny fokontany Tsimenatse II no nanao filazana tamin’ny onjam-peo tsy miankina, mahakasika ny fahaverezan’ny ombiny efatra, ka anisan’izany ilay omby vavy sy ombin-tsarety tena tsy foiny. Tsy milamina ny tany amin’izao ary sahy mihantsy hatramin’ny mpitandro filaminana ny olon-dratsy. Rehefa lany sy miha ritra ny omby any ambanivohitra (ambala) dia miakatra « ville » ny malaso amin’izao. Somary takon’ny propangady ny lafiny tsy fandriampahalemana ka migalabona ny olon-dratsy. Sahy ny olon-dratsy amin’izao. Mbola omby vavy be ronono efatra anampitsara no nisy nangalatra teny Imerimanjaka Ambohinjanaka ny misasak’aliny 5 desambra lasa teo. Bandy dimy no voalaza fa nanao ny « opération ». Tsy tao an-trano ity mpitsara ity, fa ny vadiny sy ny mpanampin’izy ireo no tao ary tsy nisy naheno ny zava-nitranga ireto farany. Taorian’ny fampandrenesana ny Zandary dia omby telo no hita tamina trano iray tsy lavitra teo. Mbola karohina kosa ny omby iray.
Manitrisa