- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversTsimenatsy Toliara : Kara-pifidianana matoatoa 70 isa, notazomin’ny Sefo Fokontany

Tsimenatsy Toliara : Kara-pifidianana matoatoa 70 isa, notazomin’ny Sefo Fokontany

Na dia nizotra am-pilaminana tamin’ny ankapobeny ny fifidianana Solombavambahoaka tao Toliara I, ary navitrika tonga nanefa ny adidiny ny olom-pirenena voasoratra anarana tao anaty lisi-pifidianana, dia maro ireo tsy fehetezana hita, omaly. Tao amin’ny Fokontany Tsimenatsy, dia kara-pifidianana matoatoa 70 isa no notazomin’ny Sefo Fokontany, omaly nisandratr’andro, satria olona tsy monina ao anatin’ny Fokontany iadidiany no tompon’ireo kara-pifidianana ireo, raha ny nambaran’ity olom-boatendry ity, nitafa tamin’ny mpanao gazety.  Fa tranga nahavalalanina ny maro kosa no niseho tao amin’ny biraom-pandatsaham-bato Tanambao II, ao amin’ny « lycée Laurent Botokeky », fa nirehitra niledaleda ny kaonteran-jiron’ny Jirama tao amin’ity « bureau de vote » ity, tokony tamin’ny 7 ora sy sasany naraina, ka nampisavoritaka ny olona tonga hifidy tao. Soa ihany anefa fa tonga ara-potoana ireo mpamonjy voina, ka nalaky voafehy ny fitaran’ny afo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici