- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTsimialonjafy Mahamasina : Tomponandraikitra ambony amina ministera, maty voatsatoka antsy

Tsimialonjafy Mahamasina : Tomponandraikitra ambony amina ministera, maty voatsatoka antsy

Rangahy, mitana andraikitra ambony amina ministera iray no namoy ny ainy, vokatry ny tsindrona antsy izay nahazo azy, teny Tsimialonjafy Mahamasina ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny dia alin’ny zoma hifoha sabotsy  lasa teo ny tenany no niharan’ny fanendahana izay nataona andian’olona, raha iny izy handeha hamonjy fodiana iny. Ny andro rahateo alina ka mora tamin’ireo olon-dratsy no namely azy. Ary angamba, efa nandrasan’ireto olon-dratsy ireto mihitsy ity rangahy ity. Araka ny fitantaran’ireo mponina mantsy dia iny izy handeha hiditra ny vavahadiny iny mihitsy ity farany no noleran’ireo olon-dratsy tamin’ny antsy. Taorian’io, rehefa lavo ity lasibatra dia lasa nitsoaka izy ireo, niaraka tamin’ny zavatra sarobidy izay nendahin’izy ireo teny aminy. Naratra mafy ity tomponandraikitra ambony ity tamin’io fotoana io saingy mbola afaka niantso vonjy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana izy tamin’izay ary nahazo fitsaboana. Andro vitsivitsy tato aoriana anefa, ny alatsinainy  teo dia tsy tana intsony ny ainy, noho ny halalin’ny ratra sy noho ilay zava-maranitra nahazo taova saro-pady.

Raha ny fanazavàna nomen’ireto tomponandraikitra filaminana hatrany dia isan’ireo toerana azo lazaina fa nilamina iny faritra Tsiamialonjafy iny teo aloha teo. Ary vao sambany tato anatin’ny fotoana maharitra izay no nisiana tranga toa izao. Nisy avy hatrany moa ny fepetra manokana noraisin’izy ireo taorian’ity tranga ity amin’ny fifehezana ny fandriampahelamana amin’iny faritra iny sy ny manodidina. Mazava ho azy fa efa mandeha ihany koa ny fikarohan’ireo izay nahavanon-doza araka ny fantatra hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici