- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTsindron’antsy teny Itaosy Maty ilay rangahy 66 taona

Tsindron’antsy teny Itaosy Maty ilay rangahy 66 taona

Araka ny vaovao avy amin’ny JIR, dia nodimandry ny alahady teo, tao any Nosy La Reunion, ilay lehilahy 66 taona, novonoin’ny mpiasany tao an-tranony tetsy Ambohidrapeto Itaosy, rehefa avy notsaboina, teto Antananarivo ary tsy maintsy nalefa tany an-toerana ity noho ny fihombon’ny aretiny. Raha tsiahivina kely ity tranga ity, dia ny alatsinainy 21 Jolay lasa teo no nijininika ny rà tao amin’ny « villa » iray teny Itaosy. Mbola nahatsiaro tena tsara ity rangahy ity tamin’izay ary nilaza fa novonoin’ity tovolahy mpiasany tao amin’ny efitranony. Tsindron’antsy maromaro no niantefa tamin’ity lahiantitra ity. Voalazany ihany koa fa noratrain’ity mpiasa tsy mataho-tody ity ihany koa ny mpanampy vaviny iray, izay nikasa ny hanavotra azy. Fantatra hatreto fa nangalaran’ity mpiasa ity ny rojo volamena sy vola mahery ny 300 euros (1 tapitrisa Ar latsaka) no anton’izao habibiana izao, raha ny voalaza hatrany. Isan’ny mpitantana ambony, misotro ronono, tao amin’ny orinasa Sogécore, any La Réunion ity rangahy ity no izao nindaosin’ny fahafatesana, noho ny ratra nahazo azy izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser