- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTsingy Bemaraha : Mibosesika tonga ireo vahiny, fiara 40 isan’andro no tonga...

Tsingy Bemaraha : Mibosesika tonga ireo vahiny, fiara 40 isan’andro no tonga mitondra mpizahatany ao Bekopaka

Fiara 40  isan’andro raha kely indrindra, no tonga mitondra mpizahatany ho ao Bekopaka, mitsidika ny valanjavaboary misy ny tsingy Bemaraha. Araka ny fanazavana voaray, dia anelanelan’ny volana aprily sy novambra no tena mibosesika ny fahatongavan’ireo vahiny, ary tafiditra ao anatiny tsara isika amin’izao, ka tsy maharaka ireo mpitaridia matihanina  49 amperin’asa. Raha ny fantatra dia mampidi-bola hatramin’ny 135 000 Ariary isan’andro ny mpitaridia iray amin’izao tsena tsara izao, ary saika ireo miteny anglisy toy ny : Alemana, Italiana, Sinoa, Japoney, Amerikana,… ny ankamaroan’ny mpizahatany tonga any an-toerana. Mijanona roa ka hatramin’ny efatra andro any izy ireo mitety ny valanjavaboary. Tsiahivina, fa 200 km miala an’i Morondava no misy ny Kaominina Bekopaka, mandalo an’i Belo ny làlana, ary tongan’ny fiara rehetra rehefa main-tany toy izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici