Jiolahy 5 nirongy basim-borona roa sy antsy no indray nanafika kamiao iray tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alin’ny sabotsy 19 Aogositra teo. Tao amin’ny tanàna atao hoe Ampizarantany, kaominina Ambanivohitra Tsinjoarivomanga, no nitranga ny tantara. Kamiao nofaina nitondra entana ity voatafika ity raha sendra nijanona natory tao amin’io tanàna io, noho ny andro alina. Sady nanapoaka basy in-telo ireo jiolahy no nitifitra ilay kamiao. Noho izany, vaky ny fitaratr’ilay fiara be. Tsy afaka nanao na inona na inona intsony ireo mpandeha izay natory tao anatiny. Isan’izany ilay rangahy nanofa ny fiara. Ity farany izay voalaza fa voaroba vola 2 700 000 ariary. Naratra teo amin’ny masony kosa ilay mpamily, fa nipitihan’ny vakim-pitaratra. Tonga teny an-toerana ihany ny zandary rehefa nahazo antso, fotoana fohy tao aorian’io, saingy niala maina satria efa nadio ny rano niampitan’ireo jiolahy.
Articles qui pourraient vous intéresser