Efa mampiteny ny maona araky ny fiteny an-kehitriny ny fahitana ny lavadavaka miteraka fahasimbana sy fitohanan’ny fiara aty amin’ny lalam-pirenena fahafetra ny zava-misy iainan’ireo olona mampiasa ny lalana, amin’ny tsy fandraisana andraikitra ataony mpitondra aty amin’ny renivohim-paritra Betsiboka. Efa ho an-taonany maro lasa izay no tokony nisy fanamboarana ny lalana mampitohy an’Antsinjorano any amin’ny kaominina Antsiafabositra sy Maevatanàna, fa variana amin’ny zavatra hafa ny tompon’andraikitra tandrify sy ny Goveronora teo aloha izay nahazo famatsiam-bola amin’ny fanatanterahana ny velirano ny filoha Andry Rajoelina amin’ny asa fampandrosoana sy fanamboaran-dalana, saingy nohadinon’ireo voalaza etsy aloha tsy hita sy fanaraha-maso izany. Ny maraina voalohany volana Febroary lasa teo tokoa no tapaka ny fanohizana ny fifamoivoizana teny Tsinjorano, satria nahitana fiara vaventy niraikitra teo afovoan-dalana, izay efa simba tanteraka, ka io no nitarika ny fiara rehetra teny an-toerana nitandahatra. Efa ho adiny telo aty aoriana vao nanao lalana fiviliana na » Déviation » ny mponina mba handehanan’ireo fiara, ka nifanome tanana tamin’izy ireo ihany koa ny mpamily. Noho izao fahasimban’ny lalana izao, dia manao antso avo amin’ny tompon’andrikitra mahefa ambony tandrify azy ny vahoaka sy ireo mampiasa iny lalam-pirenena fahefatra iny, mba tokony hisian’ny vahaolana maharitra mba hiantefa mivantana any amin’ireo mpiara-belona.
Ratantely