- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversTsiribihana : Olona telo lanin’ny voay

Tsiribihana : Olona telo lanin’ny voay

Tena masiaka amin’izao fotoana izao ny voay any amin’ny faritra Menabe. Araka ny fantatra, olona telo no indray nahita faisana tamin’ny faran’ny herinandro, vehivavy roa sy lehilahy iray. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa vehivavy iray handeha hivarotra niampita ny reniranon’i Tsiribihina no tonga dia narapaky ny voay. Na dia nisy nahita aza izany dia tsy nisy afaka nanavotra an’ity ramatoa ity. Ny ampitson’io, olona roa, vavy sy lahy, mbola niampita ny renirano ihany koa no avy hatrany dia norambasin’ity biby ity. Niezaka ny manodidina nandeha nizaha an’ireo olona ireo na dia efa fantatra aza ny nanjo azy. Afaka fotoana elaela voa hita ny fatin’ireo vehivavy, na ny marina kokoa, izay sisa tavela. Hatramin’izao koa , tsy mbola fantatra izay nisy ilay lehilahy. Anisan’ny toerana be voay iny renirano iny. Tsy dia nandrenesana olona hanin’ny voay anefa hatramin’izay. Tsy fantatra araka izany ny nahatonga ireo biby ireo hanafika olona. Teo amin’ny teorana nandrapahany an’ilay vehivavy, voalaza fa faritra fandehan’ny olona rehefa hiampita eo. Ny nahagaga ny maro anefa, lasa nasiaka tampoka teo ireo biby.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser