- Publicité -
jeudi, janvier 15, 2026
AccueilÀ lireTsiroanomandidy : Ankizivavikely voaolana, namoy ny ainy

Tsiroanomandidy : Ankizivavikely voaolana, namoy ny ainy

Ny 24 desambra lasa teo no fantatra fa niharan’ny herisetra ara-nofo ity ankizivavy kely ity. Nanomboka teo ny fitsaboana azy saingy indrisy fa ny harivan’ny alatsinainy teo no tsy tana intsony ny ainy noho ny fahasimbana sy ny ratra mafy nahazo azy. Zazavavikely vao fito taona monja izy, monina ao Mangarivotra Tsiroanomandidy. Nanomboka tsy salama sy nitairana marary foana izy herinandro talohan’ny tsy nahatsiarovany tena intsony, talohan’ny krismasy teo. Nentina avy hatrany nihazo tobim-pahasalamana ary noheverin’ny mpitsabo fa tazomoka. Teo am-pampidirana fanafody anefa no tsikaritra ny herisetra ara-nofo nihatra taminy. Ary nohamarin’ny mpitsabo rehefa natao fitiliana rehetra fa niharan’ny fanolanana ity zaza ity. Nanomboka teo ny fahoriana sy ny fijaliana nihatra tamin’ilay zaza. Efa tena nihombo be mantsy ny ratra nahazo azy ary io niteraka tsy fahatsiarovan-tena io. Noraisin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tany an-toerana an-tanana avy hatrany ny fikarakarana azy sy ny fitsaboana, izay tsy vita tany Bongolava intsony fa tsy maintsy nentina niakatra taty an-drenivohitra. Nanao izay ho afany tamin’ny fanampiana ihany ny rehetra satria nisy ny fangatahana nalefa tamin’ny tambazotra sosialy. Tsy maintsy niroso tamin’ny fandidiana azy ihany koa ireo mpitsabo tamin’izay fotoana izay fa efa nihanaka ary tonga hatrany amin’ny lohany ny otrikaretina vokatr’ilay fanolanana nihatra taminy. Tao anatin’izay fotoana izay anefa dia tsy nitsahatra nihombo ny aretiny ary niady hatrany tamin’izay ilay zazavavikely. Ny harivan’ny alatsinainy teo no tsy tana intsony ny ainy. Ny talata maraina teo no niala tetsy amin’ny tranom-paty Ampefiloha ny razana ary nitodi-doha ho any amin’ny tanindrazany. Omaly tolakandro no nanitrahana ny vatana mangatsiaka teny amin’ny fasan’ny Antandroy eny Bel’air Tsiroanomandidy. Marihana fa efa teny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary mbola eo am-pikarohana izay mety ho nahavanon-doza izy ireo. Hatreto mantsy, raha ny angom-baovao azo dia tsy mbola fantatra ny tompon’antoka.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici