- Publicité -
mercredi, décembre 17, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Ankizivavy 13 taona sy Ramatoa tsy salama saina voaolana

Tsiroanomandidy : Ankizivavy 13 taona sy Ramatoa tsy salama saina voaolana

Efa misy tsy mataho-tody mihitsy ny olom-belona ankehitriny. Lehilahy roa, 38 sy 21 taona, no natolotra ny Fitsarana ary nahiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Tsiroanomandidy, ny 8 janoary lasa teo, noho ny resaka fanolanana. Ny 05 janoary 2021 dia naharay fitarainana avy amin’ny ramatoa iray ny polisy tao Tsiroanomandidy mikasika fanolanana zazavavy kely 13 taona niseho tany amin’iny faritra iny. Ny 07 janoary 2021 dia nahazo fitarainana hafa ihany koa ny polisy mikasika fanolanana vehivavy tsy salama saina 34 taona. Nanokatra fanadihadiana ny polisy nanoloana ireo tranga ireo. Taorian’ny fikaroana nataon’ny polisy dia fantatra fa lehilahy iray efa 38 taona no nahavita nanolana ilay zazavavy kely 13 taona. Tovolahy 21 taona kosa no tompon’antoka tamin’ilay vehivavy marary saina. Nosamborina avy hatrany moa izy ireo ary tao aorian’ny famotorana dia natolotra ny Fitsarana ka izao nidoboka am-ponja izao miandry ny fotoana hitsarana azy.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici