
Nanao tari-dositra avy hatrany ity lehilahy iray nitondra gony, raha nifanena tamin’ireo polisy nanao fisafoana, toy ny mahazatra azy ireo teny amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse ao Tsiroanomandidy ; ny zoma 22 Martsa lasa teo. Nanenjika azy avy hatrany ireo polisy satria nampiahiahy izany fihetsiny izany. Tsy lasa lavitra, fa tratra ralehilahy. Nosavaina ilay gony ka basy vita gasy 2 no tao anatiny ary nentina tany amin’ny kaomisaria ao Tsiroanomandidy ity olona ity mba hanaovana famotorana. Nandritra izany no nahalalana, fa handeha ho any Maintirano izy ary mbola misy iray hafa azy tao anatin’ilay taxi-brousse saika hiarahany. Basy vita gasy dimy ihany koa miampy ody gasy marobe no hita tao anatin’io gony faharoa io. Tafakatra fito araka izany ny isan’ny basy vita gasy azo tamin’ity lehilahy ity. Nampidirin’ny Fitsarana am-ponja vonjimaika ity lehilahy ity rehefa natolotra ny Fampanoavana. Hatreto dia mbola tsy fantatra ny mety ho fiavian’ireto basy vita gasy ireto.
T.M.