- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Basy vita gasy miisa 8 tratra tao Vohimasina, lehilahy iray...

Tsiroanomandidy : Basy vita gasy miisa 8 tratra tao Vohimasina, lehilahy iray naiditra am-ponja

Rehefa nandalo Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany tao Tsiroanomandidy, ny 14 mey teo, ny lehilahy iray mpanamboatra basy vita gasy voasambotry ny Zandary avy ao amin’ny Borigadin’ny Belobaka, ny Sabotsy lasa teo, tany amin’ny Fokontany Vohimasina, Kaominina Ambanivohitry Belobaka. Nandritra ny fisavan’ny Zandary, dia tra-tehaka tao an-tranon’ity raim-pianakaviana ity ny basy miisa valo niaraka tamin’ireo akora sy fitaovana maromaro fanamboarana izany, ka tsy afa-niala intsony izy. Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo nitorika ny fisian’ olona manamboatra sy mivarotra basy tao an-tanàna no nirosoan’ny Zandary tamin’ny fisavana ny tranon’ity voarohirohy. Ny Zandarimariam-pirenena dia maneho ny fisaorana hatrany ho an’ireo olona miara-miasa aminy manampy amin’ny fanomezam-baovao mba hisorohana ny ratsy ka hisian’ny fandriampahalemana maharitra, satria raharahan’ny rehetra ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici