- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Biraon’ny kaominina sy zandary voatafika, very ny basy «...

Tsiroanomandidy : Biraon’ny kaominina sy zandary voatafika, very ny basy « kalach » iray

Raikitra ny savorovoro. Notafihana andian’olona ny kaominina sy ny biraon’ny zandary tao Ankerana, any amin’ny distrika Tsiroanomandidy ny alin’ny alarobia teo. Vokany zandary iray  no naratra mafy voatorabato, very tamin’izany koa ny basy kalach iray niaraka tamin’ny bala maromaro. Antontan-taratasim-panjakana maro ihany koa no  may nandritra izany. Raha ny zava-nitranga, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia resaka fisamborana lehilahy iray, izay voalaza fa filohan’ny dina no antony nahatonga izao savorovoro izao. Nisy ankizy noahiahiana ho nangalatra bisikleta mantsy tany an-toerana. Raha saika hiroso amin’ny fisamborana ity farany ireo mpitandro filaminana dia niditra an-tsehatra ilay Filohan’ny dina izay niaro azy. Voampanga ho mpiray tsikombakomba ihany koa araka izany ity farany. Nanao tatitra tany amin’ny Tonian’ny fampanoavana ireo mpitandro filaminana ary nisy ny didy fampisamborana navoaka ho an’ity lehiben’ny dina ity. Izay zavatra izay no nampirehitra ny hatezeran’ireo antokon’olona mpiara-dia amin’ity lehilahy ity, ary io niafara tamin’ny savorovoro tany an-toerana io, rehefa niroso tamin’ny fisamborana ireo zandary. Raikitra ny tora-bato sy ny  tariny, ka voa tamin’izany ny zandary iray, izay naratra mafy. Notafihan’ireto andian’olona ireto  ihany koa ny biraon’ny kaomina tao Ankerana Avaratra. Tsy nisy olona tratran’izy ireo tao an-toerana ka ireo antonta-taratasy tao amin’ny birao no nakorontan’izy  ireo ary nodorana avy eo. Mbola tsy afa-po ireto farany hoy ny vaovao hatrany ka dia lasa nankany amin’ny tranon’ireo zandary nanao ny fisamborana ireto olona ireto. Vao fantatra anefa ny fisian’ireo andian’olona ireto dia nandeha niafina tany amin’ny tranon’ny Ben’ny tanana ireo zandary niaraka tamin’ny vady aman-janany, ka tsy hitan’ireo andian’olona. Ireo entana isan-karazany tao an-trano indray araka izany no nanamparan’ireo olona ny hatezerany. Tamin’izany no nahaverezana basy « kalach » iray, niaraka tamin’ny bala 30 isa. Tsy afa-nanoatra firy ihany koa tetsy an-danin’izany ireo zandary, izay tsy nisy afa tsy telo lahy tao amin’io tanana io. Tafaporitsaka ary votsotra noho izany ilay lehiben’ny  dina. Teo anatrehan’ity tranga ity dia efa nandefa zandary maromaro tany an-toerana ny teo anivon’ny Vondro-tobim-pileovana Bongolava, hiaro ireo zandary tany an-toerana sy ny fianakaviany, ary handamina ny raharaha. Fantatra moa fa efa tafiakatra ao Tsiroanomandidy ireto farany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici