- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Dahalo roa lavon’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona

Tsiroanomandidy : Dahalo roa lavon’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona

Andian-dahalo am-polony tany ho any, nirongo basy ary nanao fanamiana miaramila no nifanandrina tamin’ny fokonolona sy zandary, ny alahady teo tany Bemahatazana. Azo ny omby ary nisy dahalo roa maty.

Raikitra ny fifampitifirana. Tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any no tonga tao amin’ny tananan’i Tindoha, ao amin’ny kaominina Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny dahalo teo amin’ny 19 lahy teo, mirongo fitaovam-piadiana isan-karazany. Tsy niditra tanàna izy ireo, araka ny tatitra azo avy tamin’ny zandary fa ireo omby teny an-tsaha no nasesiny nalaina. Sendra ny be noho ny vitsy ireo mpiarakandro, niandry ny omby ka namela izany teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy  ary  nitsoaka niantso vonjy tany an-tanàna. Tsy nanaiky lembenana fa raha vao naheno ny antso vonjy ireo fokonolona dia nirohotra nanao ny fanarahan-dia, nampian’ny zandary sy miaramila avy tao an-toerana. Ary namonjy avy hatrany ny kizon’Ambaravarambato, toerana tsy maintsy andalovan’ireo olon-dratsy nitondra ny omby halatra. Tonga telo minitra talohan’ny nahatongan’ireo dahalo ireo mpanara-dia ary dia velona avy hatrany ny fifanandrinana teo amin’ny roa tonta. Nambaran’ny tatitra fa na dia teo aza ny havitsian’ireto mpanara-dia teo anatrehan’ireo dahalo am-polony miravaka fitaovam-piadiana dia tsy nilavo lefona velively izy ireo. Vokany, roa tamin’ireo olon-dratsy no lavon’ny bala, ary azo avokoa ireo omby nangalarin’izy ireo. Vaky nandositra teo anatrehan’izay ireto dahalo. Tsy nisy naratra kosa na namoy ny ainy na dia iray aza ireo mpanara-dia. Fantatra moa fa efa nomena ny tompony avy ireto omby nalain’ny dahalo ireto. Mbola mitohy ihany kosa tetsy andanin’izay ny fikarohana sy ny fanarahan-dia ireo nitsoaka. Manentana hatrany ny fokonolona ireo mpitandro filaminana mba hiray hina, fa « ny firaisan-kina tokoa no hery ary entanina ny vahoka mba hanome vaovao ara-potoana amin’izay rehetra mety hanohintohina ny fandriam-pahalemana mba hahafahana misoroka ny ratsy ».

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici