- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Dahalo telo nanafika, iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Tsiroanomandidy : Dahalo telo nanafika, iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Ny 8 avril tolok’andro teo no nisehoan’izany, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Morafeno  notafihan’ireto  dahalo telo lahy mirongo basim-borona  avy hatrany  teny an-tanety ireto omby miraoka vilona.Tsy nahatohitra ireto tompon’omby fa be noho vitsy, ka dia aleo nilavo lefona sady tanam-polo rahateo manoloana ny basy. Omby telopolo no lasibatra tamin’izany ary mbola nalain’ireto mpangalatra ihany koa ny mpiandry omby iray hatao takalonaina.

Tsy tana fa tafaporitsaka anefa ity saika halaina  takalonaina, ka iny no nampandre ny tany an-tanàna fa lasan’ny dahalo daholo ny omby teny an-tsaha . Raha vao naheno izany kosa ny tao an-tanàna dia  nirongatra nanenjika ireo dahalo, tsy lasa kilaometatra maromaro dia tratra ny iray tamin’ireto dahalo ka dia tratran’ny fitsaram-bahoaka, maty vokatry ny daroka nahazo azy ity dahalo iray , fa ireo namany kosa mbola karohin’ny manampahefana any an-toerana amin’izao.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser