Fiarabe mpitati-bokatra iray no lasibatry ny asan-dahalo tany amin’iny faritra Tsiroanomandidy iny, omaly vao mangiran-dratsy. Vokany, olona iray no maty voatifitr’ireo olon-dratsy ary vola an-tapitrisany maro kosa no lasa tamin’izany. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina teo no nitranga ity fanafihana ity raha ny fampitam-baovao azo. Amam-polony no isan’ireo olon-dratsy ary nirongo zava-maranitra sy basy mahery vaika. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia ny basy teny an-tanan’izy ireo no nampiasainy. Tovolahy iray, izay fantatra fa mpanampin’ny mpamily tao anatin’io fiara no niantefan’ny bala ka naratra mafy. Tsy tana intsony anefa ny ainy fotoana fohy taorian’izay noho ny ratra nahazo azy. Nisy olona sasany teny an-toerana ihany koa naratra mafy, vokatr’izay tifitra variraraka izay. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia tsy afa-nanoatra intsony ireo olona tao anatin’ilay fiara. Hany hery dia nanome izay zavatra notadiavin’ireto andian-jiolahy ireto. Vantany vao azon’ireto farany kosa ny vola dia nirifatra nitsoaka izy ireo. Taorian’izay vao afaka namonjy ireo voatafika ny fokonolona. Nitondra ireo naratra tany amin’ny toeram-pitsaboana. Amin’ny toe-javatra tahak’izao tokoa, dia mazana mitampim-baravarana avokoa ireo mponina noho ny tahotra, ka tsy misy sahy mampandre avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Rehefa lasa ireo mpanafika vao nampandrenesina ireto farany izay tonga haingana teny an-toerana. Nanao ny savahao ny manodidina, saingy efa tsara fiafenana ireto olon-dratsy. Mbola mitohy moa ny fikarohana azy ireo ataon’ny eo anivon’ny zandary any an-toerana.
m.L