- Publicité -
vendredi, mai 30, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Fifandonana tamin’ny dahalo, olona roa maty voatifitra

Tsiroanomandidy : Fifandonana tamin’ny dahalo, olona roa maty voatifitra

Mamaivay ny asan-dahalo any amin’iny faritra Bongolava iny ,tato ho ato. Ny talata lasa teo, dahalo am-polony maro, nirongo fitaovam-piadiana no nanafika ny tananan’i Manjakarivohasina ao amin’ny fokontany Andohafarihy kaominina Miandrarivo. Lasan’izy ireo tamin’izany ny omby  39. Nisy avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona sy ny zandary tany an-toerana, ka raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Vokany: mpanara-dia roa no maty, lavon’ny balan’ireo olon-dratsy, telo hafa naratra. Torak’izay ihany koa ny teny amin’ny ankilany, satria nisy dahalo roa namoy ny ainy, ary maromaro ireo naratra fa afa-nitsoaka. Nandritra ny fifandonana, dia nandefa zandary hafa hanampy ireo efa teny an-toerana, ny tao Tsiroanomandidy. Tsapan’ireo dahalo ,fa hery tsy mitovy ka nanao tari-dositra izy ireo, namela ireo omby am-polony vao avy nangalariny. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa ireo omby very, ankoatra ny iray tamin’ireto biby ireto, maty nandritra ny fifandonana. Tsy mandry andro, tsy mandry alina tokoa ny mponina any amin’iny faritra iny. Saika isan’andro mantsy, dia ahenoana fanafihan-dahalo amin’ireo tanàna ambanivohitra. Manampy izany ny asan-jiolahy amin’ireo tanàn-dehibe.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici