Vaky ny fonja tao Tsiroanomandidy ny harivan’ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any. Nahatratra teo amin’ny folo teo ireo gadra no tafaporitsaka tamin’izany. Araka ny fampitam-baovao azo dia nandritra ny fotoam-pivavahana izay natao am-ponja no nitrangan’izany. Nanararaotra ny tsy nahateo ireo tompon’andraikitra ireto voafonja fololahy ireto tamin’izany ka nanao amboletra nivoaka ny vavahady. Marihana fa nisy roalahy tamin’izy ireo no tra-tehaka tsy lavitry ny fonja. Mbola miriaria any koa ireo valolahy ambiny. Efa nandray ny fepetra rehetra hikarohana ireto gadra nitsoaka ireto koa ireo zandary any an-toerana.
m.L