- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Jiolahy rain-dahiny maty voatifitry ny zandary

Tsiroanomandidy : Jiolahy rain-dahiny maty voatifitry ny zandary

Teny an-dalana hihazo ny birao ny tafatsoaka tampoka ny lehilahy iray, jiolahy rain-dahiny any amin’iny faritra Bongolava iny, ny voalohandohan’ny volana teo. Nanao izay nijanonany ireo mpitandro filaminana saingy tsy nety, hany ka voatery nitifitra izy ireo. Maty tsy tra-drano ny lehilahy.

Tsy vao tamin’io anefa no nikasa hitsoaka teo am-pelan-tanan’ny zandary ity olon-dratsy rain-dahiny, nampitondra takaitra ireo mponina tany amin’iny faritra iny fa efa tamin’ny fotoana nisamborana azy tao Avaratsena Tsiroanomandidy. Nalainy am-pitaka ireo mpiambina azy tamin’izay saingy soa ihany fa tsy tafaroboka tao anatin’izay ka dia voasambotra sy voatazona ihany. Hisorohana ny mety ho fandosirany indray dia nandray fepetra ny hamindra azy tany Morafenobe, zandary nandray ny antonta-taratasiny voalohany amin’ny fanadihadiana, ireo tao Tsiroanomandidy. Rehefa tonga teo amin’ilay toerana antsoina hoe Bongon’i Lemanja, kaominina Mahatsinjo, distrika Tsiroanomandidy, dia nikasa ny hitsoaka fanindroany indray ny lehilahy. Nanao izay rehetra hampijanonana azy ireo zandary nanaraka azy, saingy tsy nety nilefitra tamin’ireo baiko isan-karazany ity olon-dratsy ity. Voatery nampiasan’ny fitaovam-piadiany teny am-pelan-tanany araka izany ireo zandary ka io nahavoatifitra sy nahafaty azy io. Araka ny fampitam-baovao ny zandary dia isan’ireo dahalo rain-dahiny, mpangalatra omby, mpividy omby halatra any amin’ny faritra Melaky sy ny manodidina iny izy. Fantatry ny rehetra ny asa ratsy ataony ary tsy miafina, raha ny vaovao hatrany. Efa anatrehan’izay dia vitany mihitsy ny mampihorohoro sy mamono izay rehetra manakatsakana ny lalany, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny zandary hatrany. « Porofon’izany ireo fitairanana marobe voarain’ny teo anivon’ireo Vondro-tobim-pileovan’ny zandary ao Menabe, Melaky ary Bongolava, nanomboka ny taona 2014.  »  hoy hatrany ny vaovao

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici