Tovolahy iray no namoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivoizana niseho tany amin’ny tetezana Mandalo, fokontany Ambatofotsy, ao amin’ny distrikan’i Tsiroanimandidy, ny alakamisy teo.
Kamiao iray mpitatitra entana no nilatsaka tao ambany tetezana tamin’izany. Voalaza fa tsy voatànan’ilay mpamily ny familiana ka nilatsaka ny kodiarana iray, ka io no nitarika ny fivadihan’ny fiara. Niakatra ny rano tamin’io fotoana io, ka sady tafahitsoka tao ilay fiara sy ilay tovolahy no sempotry ny rano. Nanahirana ny asa famonjena noho izany. Ilay tetezana dia efa mampitaraina ny mpandeha noho ny hatereny, ka anisan’ny mahatonga ny loza matetika.
Nilaza ny tompon’ny fiara fa narary ilay tena mpamily tamin’io fotoana io ka voatery ny mpanofa no nitondra izany. Avotra soamantsara kosa ny ain’ilay mpanofa fiara nitondra ilay kamiao. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona nanao ny asa famonjena. Tonga teny an-toerana ihany koa ny ben’ny tanànan’ny kaominina Bemahatazana nankahery ny fianakavian’ny tra-doza. Misokatra ny fanadihadiana momba ity loza ity.
Yv Sam