- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Kamiao nivadika, enina no maty

Tsiroanomandidy : Kamiao nivadika, enina no maty

Nitondra vary akotry ilay fiarabe ary nitondra olona miisa 21 koa. Avy any Ambohitromby no niainga izany ary hizotra ho any Tsiroanomandidy. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Andranovelona, kaominina Soanierana no nitranga ny loza raha naka sisiny ilay fiara, satria nangataka ny mba hiala sasatra ny olona tao anatiny. Diso anefa ny toerana nametrahan’ny mpamily ny fiara ary nahazo sisiny loatra.  Nivarina tany anaty hatsana ny niafarany. Nahafaty olona avy hatrany izany. Zaza telo sy olon-dehibe miisa telo no maty tsy tsa-drano. Ny ambiny kosa notaterina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana izay akaiky indrindra mba hanavotana ny ainy. Ankoatry ny hadisoana izay nataon’ny mpamily, ny tsapa dia mitera-doza hatrany eto amintsika ny fitaterana olona sy entana mitambatra. Any amin’ny firenen-kafa dia tsy ekena mihitsy ny fitaterana entana amin’ny fiara tokony hitondra olona na koa ny mifamadika amin’izany.  Eto amintsika indray dia hatramin’ny trakitera aza mbola hampiasaina hitaterana olona, ny borety mbola hatao posy ary ny kamiao tena fitaterana izay miasa be any ambanivohitra. Samy efa nitera-doza avokoa izany raha tsy hiverenana kely afa-tsy ilay nitranga tany Anjozorobe. Nivadika tao ambany tetezana ny kamiao ary olona 47 no indray namoy ny ainy nilentina tao. Nanomboka teo dia nisy ny fepetra iray noraisina ny amin’ny tsy hahafahan’ny kamiao mitatitra olona intsony. Saingy ny eto amintsika dia eo amin’ny vanim-potoana iray ihany no mihatra izany ary toa  lasa fepetra vonjimaika fotsiny indraindray…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici