Niharan-doza teo amin’ny kaominina Mitsinjo, kilaometatra maromaro tsy hiditra ny Tanana, ny fiaraben’ny Vondron-tobin-tafika Iraisana, na ny BIA avy ao Tsiroanomandidy, ny alin’ny alakamisy teo. Vokany, miaramila efatra no naratra mafy. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia avy nanao fisafoana ary handeha hihazo ny renivohitr’i Bongolava ity kamiao lehibe fantatra amin’ny anarana hoe P4 ity, izay notarihan’ny lehiben’ny toby. Nony tonga teo amin’ny toerana, 20 kilaometatra tsy hidirana ny tananan’i Boiry Bekapoaka, kaominina Mitsinjo, anefa no vaky ny kodiarana aorian’ny fiara. Ny andro rahateo maizina ka tsy voatanan’ny mpamily intsony, araka izany, ilay fiarabe. Nisarika be izany ihany ary niala ny lalana teo amin’ny ankavanan’ny arabe. Nivadibadika ambony ambany mihitsy, niaraka tamin’ireo miaramila nentiny. Nahitàna fahapotehana ilay fiarabe, ary efatra tamin’ireo olona nentiny, raha ny fampitam-baovao, no tena voa mafy. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Efa nentina nihazo ny hôpitaly regionaly ao Tsiroanomandidy avokoa moa ireo naratra ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy araka izany. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana kosa ireo zandary avy ao amin’ny poste avancé Mitsinjo.
m.L