Nitrangana fanafihana mitam-basy indray tao an-tampon-tanànan’i Tsiroanomandidy, ny talata hifoha ny alarobia teo, tokony tamin’ny 12 ora alina. Andian-jiolahy miisa valo nitam-piadiana nanafika Kioska Mvola iray tao Atsimontsena ampitan’ny Lapan’ny Tanàna, ka vola enina hetsy ariary tavela tao amin’ilay toeram-pivarotana no lasan’ireo jiolahy, niaraka tamin’ny telefaonina amidy miisa 52.
Jiolahy iray voatifitra azo sambom-belona. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana ka dia nirefodreftra ny fifamalian’ny basy teo amin’ny roa tonta. Nihorohoro tokoa ny mponina teo amin’ny manodidina noho ny pao-basy tsy niato. Raha ny fantatra, araka ny vaovao voaray, dia jiolahy iray tamin’ireo nanafika no voatifitry ny polisy ka mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly amin’izao. Ity farany no nanoro ireo namany izay atao hazalambo hatramin’izao, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana.
Eric Manitrisa



