- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Lehilahy maty voahitsaky ny kamiao

Tsiroanomandidy : Lehilahy maty voahitsaky ny kamiao

Nisehoana loza mahatsiravina teto an-drenivohitr’i Bongolava ny alatsinainy teo. Lehilahy iray no maty voahitsaky ny kamiao nitondra omby teto Tsiroanomandidy. Raha araka ny vaovao azo dia nahenoana fofon-taoka ilay ranga io! Efa lehibe ihany izy io, raha ny voalaza, satria efa manan-janaka roa ny lehilahy. Potika tanteraka ny vatany satria notetezin’ilay fiara lehibe, teo no ho eo ihany moa dia tapitra ny ainy. Tsy ela dia tonga nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana teto an-toerana sy ny havany. Raha ny voalazan’ny olona nanatri-maso dia nitsoraka tao ambanin’ilay fiara ity lehilahy ity, satria vao afaka ireny “casseur de vitesse “ ireny mantsy ilay fiara, ka mbola nandeha moramora. Mila mitandrina ny tsirairay amin’izao fotoanan’ ny fialantsasatra izao, satria mitombo ny olona mivezivezy eny amin’ny lalana ka lasa voatery milatsaka eny amin’ny árabe.

AF Eric

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser